text
stringlengths
10
11k
Tsy manana fahafahana
Levona levondevona levonina
Ny momba ny mari-piatoana
Ny gadongado-tongony no hany sisa heno.
Manaraka izany, tompoko, ho tsarina ny resaka ka hatao hadivomangan’ ikirijavola, ka ny voamasony no avy dia hopotsirina.
Liste des figures figure n 01 cycle d’exploitation tpfjkm 10 figure n 02 organigramme de la société tpfjkm 10 figure n 03 organigramme du daf 11
Niova endrika ny anaphore eo amin’ny andininy farany ao amin’ny tononkalo, satria naneho ny fihetseham-pony sy ny fanantenany, rehefa nahatanteraka io hetahetany io izy.
Nanaraka ny omby novidiko taminy dia ny taniko kosa no novidin-drainijery na karazan’ny lasany maina aza no azo ilazana azy. Nifanena teny an-tsena izahay indray mandeha, ary avy hatrany dia horakoraka araka ny mahazatra azy no nataony tamiko ity eto ialahy tahaka ny natosik’andriamanitra! Hoy izy. Andeha ho any an-trano vetivety. Nilaza taminy aho fa maimaika ihany, ary niala tsiny raha tsy afaka hiantrano marina ny an’ialahy, hoy izy, fa tsy tokony laniana amin’ny resaka lava ny fotoana hahavitan- javatra. Andeha hanketsy an-joron-tsena isika mianaka vetivety, fa eo ihany dia ho vita ny resaka. Nolazainy ahy fa misy sombiny amin’ny tanin-dry dada tafatsofoka amin’ilay taniny ery am-pitan’ny rano ka manjary mifanitsaka ny fitarihan-drano aoka ho vidiko io lehiroa, hoy izy, fa sady soa ho an’ialahy no ho soa ho ahy. Nilaza taminy aho fa tampoka tamiko ny fangatahany ka tsy hitako izay havaly azy eo noho eo. Saiky tsy tapitra akory anefa ny teniko dia efa voavalin-drainijery fantatro ihany izany, ary ialako tsiny amin’ialahy hoy izy, kanefa maika ny raharaha, ary izany no nanaovako hoe tahaka ny natosik’andriamanitra ialahy ho hitako androany. Tsy ny anareo ihany mantsy nomisy hividianako, fa ny an’olon-kafa koa. Asa raha fantatr’ialahy ry rainizanabary mbamin-dry raketamavo fa nanararaotra ny andro tsena ry zareo ka ety izao, ary izany koa no tiako hararaotina. Samy lavitra mantsy ny misy azy, ka ho sahirana indray ry zareo hiverina aty, sady raketamavo tsy vitan’ny maha-vehivavy azy fa efa antitra! Mbola nilaza ihany aho fa na eo aza ny fahamaikana dia tsy azo laizina ny raharaha; tsy ho vita vetivety eo ny fanoratan-tany. Kanefa dia mbola voavalin-drainijery avy hatrany ihany koa izany zanantsika ilay ao amin’ny birao, hoy izy, ka tsy misy ahiana. Ny vavolombelona efa vonona rahateo. Raharaha vita tapak’andro ve lehitsy, hanaovana ampitso lava handany andro. Androtr’iny ihany tokoa dia vita ny fanoratana. Lasan’ingahy rainijery ilay ilan-taninay. Toa mampihomehy ihany raha heverina ny fanekinekeko fotsiny izay nataon-drainijery, tsy tamin’ireo zavatra roa loha ireo ihany, fa tamin’ny hafa koa izay tsy voatantarako. 22- zoma 04 jolay 1969, iv lah 3950 kanefa tao ny tsy mbola fahalalako ny marina momba azy, tao ny hena-maso, ary raha ny amin’ity raharahan-tany ity, dia tao ny fangorahako ilay vehivavy tambanivohitra nolazainy ho anisan’ny tompon- tany hivarotra taminy. Fa ny hanampy sy hanazava ny tambanivohitra, noho izaho efa leon’ny tambonivohitra, no nahatonga ahy hifindra monina ety ambohitraivo, ka izay zavatra kely azoko hatao aminy toy ny tahaka ireny ve dia ho laviko? Androtr’iny ihany koa anefa dia nitranga ihany tamiko ny momba an-drainijery. Fa raha vao tonga kely foana tany an-trano aho, dia indreto tonga koa ilay rainizanabary sy raketamavo, saikatsaikatra, ary koa nalahelo tarehy sahiran-tsaina ihany izahay anaka vao tapa-kevitra ny hankety aminao, hoy izy. Sahiran-tsaina fa androany tery amin’ny birao isika vao nifankahalala ka dia tahaka ny manarak’olona foana toy ny tsipolitra antitra izahay tsy misy tsiny mihitsy ny amin’izany, hoy aho, ny hifankahalala aminareo toy izao indrindra no iriko eny, anaka, hoy ilay raketamavo. Anisan’ny naha-tapa-kevitra anay hankety ny fijerena ny endrikao tsotsotra sy bebe fitiavana. Kanefa na teo aza izany dia mbola sahiran-tsaina ihany koa izahay, satria zavatra efa vita, rano raraka tsy azo raofina no nanaitikitika anay ho resahina aminao anteriko aminareo indray tompoko, hoy aho, fa tsy mihafahafa mihitsy aho mandray anareo ka azonareo lazaina amim-pahatsorana izay tsy mampandry ny sainareo. Ary ny amin’ny hoe zavatra efa vita, dia ny maty angaha no tsy azo velomina, fa ny amkoatr’izany dia mety hisy fanafodiny ihany ny nofon-kena mby an-tanan-tsaka ve ho azo intsony, hoy rainizanabary nihomehy tsisazoka raha misy azoko hanampiana anareo, dia matokia fa hataoko, hoy aho ity, anaka, no mahalasa fisainana anay ary tsorina aminao fa mampalahelo anay, hoy raketamavo, nahoana no namidinao tamin’ingahy rainijery ilay taninao? Toa hafahafa izany fanontanianareo izany raneny, hoy aho, kanefa dia ho valiako ihany. Namidiko tamin’ingahy rainijery ilay tany satria mila azy izy, ary izaho dia tsy dia mila azy loatra. Raha hisy soa ho azy ve izaho hitsivalana amin’izany, fa tsy manjary tia tena tafahoatra! Hahafahana manamboatra ny tata-drano rahateo ny fifampivarotanay, araka ny teniny araka ny teniny, hoy rainibary izay dia izay ve, anaka no nahatonga anao hivarotra taminy?
Goaikia goaika
Ragly dia ahoana fotsiny izany ?
Tononkalo sy manana endrika, toetra mampiavaka ny tononkalo tsara ny pôezia, ary mety ho hita any amin’ny asa soratra hafa io toetra io. 53 iombonan’ireo mpandinika vahiny ireo ny maha asa kanto miankina amin’ny fahaiza-milalao ny teny ny pôezia. Maneho ny heviny ihany koa ny malagasy. Toetran’ny zavatra mampisondrotra fanahy na mampamelovelo ny fo sy ny saina eo alohan’ny poezian’ny takariva mahatsara vahiny 54, no nanoritsoritan- drajemisa ny atao hoe pôezia i charles rajoelisolo indray dia milaza fa ny tena pôezia dia vetsovetsom-po manetsika fo hafa .55 araka izany, tsy natao ho an’ny pôeta fotsiny ny pôezia, fa natao indrindra ho an’ny olona iantefany ny mpamaky, ny fiarahamonina tsy anakanavaka. Raha ny voalazan’i justin rainizanabololona no asian-teny, dia fantin-teny voalahatra mba hanana endrika kanto mirakitra hevitra, manintona ary mambabo ny saina ny pôezia. Hoy izy ny atao hoe poezia dia tononkira voalahatra ara-dalàna ambara amin’ny teny tsara indrindra, vita amin’ny ohatrohatra mamin’ny saina, ary raha hofehezina ny filazana azy dia hevitra tsara indrindra izay ambara amin’ny teny mamy indrindra. 56 tsy ny hevitra sy ny teny anehoana azy ihany anefa no pôezia, fa ilay fanahy ao aminy ihany koa. Izay manana izay fanahy izay ihany no tena pôezia, hoy i jean narivony fa ny tena maha poésie dia ilay antsoinay hoe fanahy ao aminy .57 i irako ammi kosa raha nanontanianay ny heviny dia izao no nambarany ny pôezia dia tononkalo na tonon-kira kanto noho ny ngadony, na ny rindram-peo sy ny sary ao aminy, na ny fantin-teny sy voambolana nandrafetana azy .58 maro ireo famaritana notanisaina. Na dia samihafa aza izy ireny, misy hatrany ny tebo-kevitra iraisany ka ahafahana misintona fa ny pôezia dia ilay zavakanto, ary kanto amin’ny lafiny rehetra amin’ny teny ampiasainy, amin’ny fandaharana izany, amin’ny hevitra ampitainy, amin’ny feo ananany, amin’ny fihetseham-po aterany ho an’ny mpamaky ka mikendry indrindra ny hambabo azy. Mifameno amin’ny talenta, ahavitana pôezia ny aingam-panahy .
Pcd 2008, op cit p.8
Mer omaly tamin’ny omaly oviana tamin’ny oviana androany tamin’ny androany 1.2.2.4.3 fampiasana ny mpampiankin-teny araka ampiasana ny mpampiankina araka raha afaka mifanolo amin’ny teny hoe manaraka izy; amin’ny fiteny merina anefa na azo ampifanoloana na tsia amin’ny teny hoe manaraka ny mpampiankina araka dia ampiasaina foana ny araka voanteny x satria heverina ho toy ny mpampiankin-teny rehetra tsy mitaky fepetra ny fampiasana azy. Fafana 17 fampiasana ny mpampiankinteny araka.
Fa tiako izy ho mamin’ny mpiara-monina 10 tsy hotsiriritiny no hevitr’izany aoka ny tompony ho izaho irery ihany fa tiako ny vadiko.
Saika hesoriny ny zanany, fa tsy nanam-bola izy
Taona sokajy anjara toerana anjara asa 18-35 tovolahy eo amin ny zana-tohatra fahatelo manaraka ny zokin- jatovo manaraka ny baikon ny zokin-jatovo sy ny ray aman-dreny misahana ny asa mila hery sy tanjaka amin ny fanatontosana fomban-drazana
Lainga raha mitia milaza tsy miaro a fa kobonina mangina ny hasarotana fiaro. A mody tsy miraika bontsinin’hambom-po b nefa zava-bitika dia mampiasa loha b sainina daholo mbamin’ny hetsika tsy nahy a manara-maso foana fatra-piahiahy a dia hoe tsy raharahiako fa zavatra mandalo b nefa olon-tsotra ahiana ho fahavalo b
Fihetsika iv sady miteny hoe leleo reninao! Ilay olona manompa no mipepeka amin’ny tanany havia na havanana.
Mihitsy no nenti-nanavaka azy tamin’ny rehetra. Toa te hilaza ny mpanoratra noho ny fampiasany ireo karazan-tsarinteny telo mifanesy ireo fa zara fa mitafy izy mianakavy, tsy misy haingo sy resaka didin’akanjo fa rehefa mitafy dia ampy. Tsy misy fijerena hoe mampafana sa mampangatsiaka, manendrika sa manaratsy ny fitafy anaovana amin’izany. Manamafy izany ny filazan’ny mpanoratra etsy ambany fa zary sosoka sy tampintampina daholo .
Rehefa ilala no mibaiko, ny vahona aza mihamamy; ny mba mivadika tsy haiko, na fahafatesana aza tamy
Ny tebo-kevitra niaingana tamin’ny fanombanana
Universite d’antanarivo ecole normale superieure
Ohatra2 neny sao dia nisy hadisoana nataonao taminy kosa? Mariah tena tsy misy ry neny a! Efa talohan’izao fihetsiny izao no nahatsapako fa misy zavatra mampiasa mafy ny sainy. Tsy hitany akory izaho eo anilany eo. Toa hadinony mihitsy re ry neny ny manodidina azy an! Hadinony aho, hadinony ny misakafo, hadinony ny fotoananay, hadinony hatramin’ny ora firavany mihitsy ange, fa heverin’i neny fa tsy loza angaha. 245 ny tamberin-teny hadinony eto, dia manantitrantitra ny fiovam-pihetsik’i rivolala manoloana an’i mariah olon-tiany sy ny manodidina azy rehetra. Toa very saina amin’ny antony tsy fantatra mazava i rivolala, ka manjary ireo olona mifanerasera aminy akaiky indray no sahirana mamantatra izay tena mahazo azy.
Misy karazany efatra ny fomba fitsinjarana ny fahefana amin ny tany demôkiratika iray voalohany ny centralisation izany hoe ny fanapahana sy ny fandrindrana rehetra ny fiainam-pirenenana dia eo am-pelatanan ny rafitra iray antsoina hoe fanjakana ny atao hoe fanjakana dia fikambanan ireo rafi-pitantanana isan- karazany izay manana solontena miparitaka eny amin ny faritra. Ny fanapahan- kevitra rehetra dia miainga avy any amin ny fitantanana foibe ary mpanatanteraka fotsiny ny any amin ny faritra. Izany hoe tsy maintsy miandry ny baiko sy ny fanapahan-kevitra avy any amin ny fitantanana foibe vao manatanteraka ny any amin ny faritra, hatramin ny fitantanam-bola aza. Faharoa ny décentralisation ity manaraka ity indray kosa dia misy ny fanomezana manontolo ny fahefana ho eo am-pelatanan ny rafitra iray eo anivon ny faritra. Malalaka tanteraka izy amin ny fanapahan-kevitra, ny fitantanam-bola. Fidin ny vahoaka mivantana anefa izy amin izay. Ohatra amin izany fahefana izany ny fahefan ny ben ny tanàna. Fahatelo manaraka déconcentration ity fahatelo ity indray dia omen ny fitantanana foibe ho an ny rafitra iray ny fahefana manontolo hitantana ny faritra iray. Solontenan ny fitantanana foibe izy eo anivon ilay faritra. Kanefa na izany aza misy sehatra sasantsasany azony anapahan-kevitra samirery. Ny fitantanana foibe anefa no manendry azy amin izany ka misy izy ireo no tekinisianina. Ohatra amin izany fahefana izany ny an ireo lehiben ny disitrika, ny an ireo lehiben ny faritra. Fahefatra farany ny fédéralisme izany hoe fanomezana manontolo ny fahefana feno ho an ny rafitra iray hifehy faritra iray izay somary mivelatra kokoa ka amin izay izy dia mahaleotena tanteraka sy mizaka tena fa eo ambany fiahian ny filoham-pirenena ihany anefa ary ny mponina ao anatin ny faritra samihafa dia afaka mifampivezivezy isan ireo firenena mampihatra io i etazonia, alemaina. Marihina fa ao anatin ny lalàmpanorenana izay lalàna sy fitsipika ary tari-dalana entina mifehy ny firenena, ny fitondrana, ny rafi-pitondrana, miantoka ireo zon ny vahoaka tsirairay no amaritana izay fomba entina mitsinjara ny fahefana eo amin ny firenena iray. Raha hiresaka ny eto madagasikara isika dia talohan ny nanovana ny lalàmpanorenana, tamin ny alalan ny fifidianana natao ny 17 nôvambra 2010 lasa teo dia mbola ny rafitra fitantanana foibe sy ny governemanta ary ireo andrim- panjakana isan-karazany faritra r fivondronana r kaominina fokontany, no nisy. Saingy rehefa lany ilay lalàmpanorenana vaovao dia lasa tahaka izao izany fitantanana foibe sy ny governemanta ary ireo andrim-panjakana isan-karazany r faritany r faritra r fivondronana r kaominina fokontany. Hatreto anefa dia mbola tsy mihatra io rafitra vaovao io. Raha izay àry ny fomba fitsinjaram-pahefana amin ny tany demôkiratika iray dia horesahintsika manaraka izao ny fisehon ny fitsinjaram-pahefana eto madagasikara.
Ny anjara asan’ny zazalahy sy zazavavy amin’ny fiompiana
Izay no hilazako iky a
Sarintany 1 ireo faritra roa amby roapolo mandrafitra an’i madagasikara loharanon-kevitra bd 500 ftm
Farany, raha mahakasika ny lafiny ara-piarahamonina dia hita fa teto no nitarafana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy ny fitobaky ny kolontsaina vahiny.
Araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mponina vitsivitsy dia mbola misy ny tsy fahatanterahan’ireo fitsipika mifehy ny fikambanana indrindra eo amin’ny fiarovana ny ala ; ao ireo mandika izany nefa tsy ampiharana ny sazy mifanaraka amin’izany noho ny henamaso amin’ny maha mpiray tanàna. Maro ireo manam-pahefana any an-toerana sy ny manodidina no mamoaka hazo na mikapa ny ala araka izay ilàny azy. Sarotra anefa ny hanome sazy azy ireny satria olona hajaina ka mahamena-maso ny tantsaha ny hanome sazy azy. Araka izany, misy ireo mahazo tombon-tsoa maro mihoatra ny tokony ho izy. Rava, noho izany, ny firaisan-kinan’ny mpikambana ka mahatonga fizarazarana sy fihalangalanana amin’ny andraikitra tokony hatao. Iii-2-1-5- olan’ny teknisianina tamin’ny fifandraisana tamin’ny mponina
Azo ve rreo gadra izay lasa tafavoaka? Nisondrotra ary ve ny vidinrny kafe
Ny fetran’ny asa ny zavatra rehetra dia misy fetrany, tahaka izany ity asa fikarohana ity. Nisafidy ny tsy hanadihady afatsy ny lafiny fanabeazana izahay. Ka izay niainanay, hitanay maso no noezahina nodinihina. Heverinay fa misy ifandraisany amin ny lohahevitra ny antrôpôlôjian ny fivavahana sy ny miralenta kanefa niniana tsy notrandrahana mivantana izany fa antenaina mbola azo anohizana ny fikarohana ireo any aoriana any.
Repobilika voalohany ka
Ratianarivo sy c ravaloson, ny troupe jeannette, dimampolo taona nisehoana an-tsehatra 1929-1979 , t. P. F. L. M, fametrahana n 203, antananarivo 1979, tak.18
Rehefa tsy misy fanita-pototeny kosa izy fa fanatsaram-peo na tsy misy mihitsy dia mijanona ao amin ny fototeny ihany ny tsindry fa tsy makeo amin ny tsirinteny tovana akory. Ohatra lo lovina lo-v-ina là làvina là-v-ina raha asiana tsirinteny mandidy kosa izy dia tsy mikisaka mankeo amin ilay tsirinteny mandidy ny tsindrim-peo fa mijanona ihany amin ny ankapobeny. Ohatra lo lovina lovy bè beàzina beàzo b. Ny lalànan’ny tsindrim-peo eo amin’ny fototeny mingadona
Vono olona ? Sanatriavina ! Fa ho fanefitr’ilay fery izay tsy tanty moa misy. Ny ody f.
Soa nandalo kely tany am-piasany aho mantsy fa mbola tsy tao izy
Raha vao maraina tsy maintsy voakôty ny gardiain! Vao tsy komplisy d’efa konsay fa tsy ankitsitsy
Tsy maintsy ampahafantarina ny tantsaha eto ny fikarakarana atao amin’ny voly, toy ny fanesorana ireo ahitra manelingelina ny fitomboan’ny vary. Amin’ny voalohany, tsy maintsy esorina amin’ny tanana ireo ahitra ireo fa amin’ny taom- pambolena manaraka kosa vao azo ampiasaina ny fanafody famonoana ahitra. Amin’izany dia alohan’ny hambolena ny vary no ampiasaina io fanafody io mba tsy hahasimba ny vary. Azo ambolena eo amin’ny baiboho kosa ny vary ampiarahina amin’ny rakotra velona tsy fihinana toy ny dolique antaka azo ampiarahina amin’ny rakotra velona fihinana ihany koa izany. Amin’ny fambolem-bary dia tsy maintsy asiana fanafody gausho ny masomboly mba tsy ho simba. Amin’ny andro ambolena ny vary no hanafangaroana io fanafody io amin’ny masomboly mba tsy ho lany ny heriny. Asiana rano 2litatra isaky ny 100 kg mba ho mandomando ilay vary ary araraka moramora ny fanafody izay vao hafangaro tsara. Rehefa mamboly vary ihany koa dia tsy azo totofana zezika ny lavaka misy ny masomboly fa tany ihany. Tsy azo atao ny manitsaka ny lavaka rehefa hanototra azy fa mahasarotra ny fitsirian’ny voly izany.
Ny lafiny fampianarana ny fotodrafitrasa, ny isan’ny mpianatra, ny tahan’ny fahombiazana, ny fahavitrihan’ny mpianatra.
Anisan’ny fialam-boly ankafizin’i faralahy ny mitendry gitara sy ny mihira, indrindra ireo hira malagasy sy ny kalon’ny fahiny. Fony mbola mpianatra tany amin’ny lycée gallieni izy dia efa mpitendry gitara. Nihanitombo izany fankafizany ny zava-kanto izany nony nanambady an-dramatoa zoeline izy.
Tenin-drazako 1 ary ianao ry tenin-drazana ianao koa ka tanindrazana teny mendri-panajana koa tandremako ny peniko. 5 tsy handiso anao ry teniko. Teny manana lalàna. Ary ianao ry tenin-drazako fitaovan-tsoa anabeazana ny tarana-mifanolo 10 ampitàna fahendrena sarobidy, volamena mitaiza sy manolokolo.
Ny hoe tsy zakan’ny tsena ao amin’ny 122 sy tsy zakan’ny balam-pilesy ao amin’ny 123 dia mbola maneho tsy fahavitan-javatra. Saika teny fampiasan’ny olona manoloana ny
Toromarika a. F1 anjara asa fandaminana, af2 anjara asa fampiorenampaka , a. F3 anjara asa fampivelarana , a. F4 anjara asa fanavahana , a. F.5 anjara asa fanehoana hafaliana miabo, a. F6 anjara asa fanehoana hafaliana miiba, a. F7 anjara asa fampivainganana, a. F8 anjara asa fanehoana fankasitrahana miabo , f. A9 anjara asa fanehoana fankasitrahana miiba , io fafana io dia maneho fa ny anjara asa fandaminana af1 , sy ny anjara sa fampiorenampaka af2 no anjara asa tena fampiasan’ny mpampianatra indridra nandritra ireo sehom-pampianarana telo izay naseho ireo. Satria tokoa mantsy nandritra ireo seho telo ireo dia 30.13 no taham-pampiasana ny anjara asa fandaminana af1 raha toa ka 33.56 no tahan’ny anjara asa mandidy fi izany hoe raha atambatra ireo dia manome 63 .79 no fitambarany. Araka ny nambaran’i de landsheere anefa dia tsy tokony mihoatra ny 1 3 ny fampiasana ireo anjara asa roa ireo 1970 47 57. Izany hoe tsy azo atao mandritra ny fampianarana no mampiasa be loatra ny anjara asa fandaminana sy ny anjara asa fampiorenampaka. Eto anefa dia efa ny 2 3 ny anjara asa fitenenana izay miseho ao an-dakilasy dia hampiasana ny anjara fandaminana sy ny anjara asa fampiorenampaka. Noho izany dia azo ambara fa tena lesona tolotra no ampiasain’ny mpampianatra ary vokatr’izany dia tsy tratra ny tanjona izay nambaran’ny fandaharam-pianarana satria ny mpampianatra no tena mandray anjara feno mandritra ny fampianarana i gérard de vecchi sy michelle rondeau-revelle anefa dia milaza fa manao hoe tsy ny mpampianatra foana no mpampita fahalalana fa azony atao ny mamela ny mpianatra hiasa ho azy ireo sy ho an’ny ankizy namany 2005 18 58. Izany hoe isany mpandray anjara amin’ny fianarana sy ny fampianarana ihany koa ny mpianatra.
Misy toe-javatra mampihetsi-po maro, no tantarain’ireo mpanao lahabolana ireo hisintonana ny sain’ny mpamaky. Ao ny toe-javatra mampalahelo, ny mahatezitra, ny mahatsikaiky, ny mampitaintaina, ny mampieritreritra.
Dia misaotra indrindra, tompoko, samy hotahian’andriamanitra. Andriananahary sy ny razana anie, ianareo rehetra, hambinin-java manasatra, hieren-doza amin’antambo.
Saika mitovitovy amin’izany ihany ny ao mangatany, saingy ny mampiavaka azy dia vitsy ny olona manao ny fikaramana isan’andro ho asa
Fantatro fa nisy ditraditra kely tsy voatohitrao ka natao nisalasala koa ny foko tamin’ireny, tsy nahita izay hatao tanatiko tao anefa ilay feo tsy nijanona niteny nampahery ahy hatrany handefitra satria sarobidy ’lay toky mamy hoe tiako, eny tiako, tiako ho doria.
Pahefana teto amin’ny firenena. Olona mpanao didy jadona, tsy mba refesi- mandidy, mpanao teniko fe lehibe izy ireo, mba ho fiarovany ny tombontsoany. Rahanta sy rajery ary ilay rafotsibe kosa dia samy anehoana ireo sokajin’olona mpanatanteraka ny baikon’ny mpitondra. Tsy iza ireo fa ny vahoaka malagasy, izay noterena hanaiky sy hankato ny mpitondra frantsay. Tsy nanaiky lembenana ny tsindry hazo lena nampiharina taminy anefa izy ireo, fa nijoro tamin’ny fiarovany ny zony hatramin’ny farany izy ireo na dia mety hihatra amin’aina aza izany, mba ho porofon’ny fitiavany dia ny fitiavan-tanindrazany. Endrika iray nisehoan’ny tolona nataon’ny malagasy io fanoherany ny mpitondra io. Mpandray anjara samihafa no nofidin’ny mpanoratra anehoany ny zava-nisy marina tamin’ity vanim-potoana ity. Ny toetra amam-pihetsika nasehon’izy ireo dia taratry ny fiarahamonina avokoa.
Vato misakana lehibe tsy azo odian-tsy hita amin’ny fampianarana ny taranja malagasy ny toe-tsain’ny ray aman-dreny sasany. Raha nametraka ny fanontaniana tamin’ny mpianatra mantsy izahay, ny ankamaroany dia nanambara ny tsy fanomezan’ny ray aman-dreny lanja ny taranja malagasy, araka izao fafana manaraka izao.